
Mangingina tsy toy ireo “rallye” rehetra efa mahazatra, ny fiaingan’ny dingana fahatelo, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Vitsy ireo mpifaninana amin’ny “rallye Matsiatra Ambony”.
Hanomboka, anio alakamisy, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny familiana fiarakodia «Rallye Matsiatra Ambony». Fifaninanana, karakarain’ny klioba Tasam. Asa na noho ny halaviran’ny toerana fa tsy misy afa-tsy 19 ireo handray ny fiaingana amin’ity. Tsy anisan’ireo hifaninana ry Loom sy i Guiguibone ary i Boom. Na izany aza, tonga any an-toerana ary mihevitra ny mbola hitazona ny fandresena efa azony, tamin’ny dingana faharoa, ny ekipazy, Ndrianja sy Fanja. Hifampitady aminy ry Hery Be sy ny fiara Mitsubishi Evo X. Andrasana ihany koa ny adin’i Domvala.
Mahatratra 260, 16 km ity “rallye Matsiatra Ambony” ity, ary ahitana dingana manokana “ES” miisa 14, mirefy 155, 26 km.
Tsiahivina fa haharitra hatramin’ny asabotsy ho avy izao, ity dingana fahatelo ity.
Torcelin
Ireo mpandray anjara :
1-Nirina – Alcazaria Jr – (FMMSAM) – P.206
2-Ndrianja – Fanja – (Asacm) – Subaru
3-Tonio – Jordanis – (Asacm) – P.205
4-Jeffy James – (TMF) – P.205
5-Tanjona – Dinax – (FMMSAM) – Subaru
6-Alcazaria – H.Etiennah – (FMMSAM) – P.205
7-Bona – Miangaly – (FMMSAM / ACCT) – Subaru
8-Domvala – Tita – (Asacm) – VW Polo TDI
9-Fidinera – Naina – (Asacm) – R.Clio
10-Legah – Betojo – (Asacm) – P.205
11-Yves Maurice – Herinjaka – (Asa Tana / Asacm) – R.Clio
12-Hery Be – Fafah – (TMF / Tacs) – Mitsubishi Evo X
13-Tahiana – Tahiry – (Asacm) – Subaru
14-Dani – Hendry – (Asa Tana / FMMSAM) – Citroen C2
15-NS – Rado – (FMMSAM) – R.Clio
16-Fred – Adriani – (Asacm) – P.206
17-Haja D – Alain – (TMF / Asacm) – Ssangyong Actyon
18-Yves – Nitro – (TMF / Asacm) – Subaru
19-Tahina – Baovola – (Asacm) – Subaru
Les commentaires sont fermées.