Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny Jly Camille Vital : « Tsy mijery ny fahoriam-bahoaka izao fitondrana izao… “

Ny Jly Camille Vital  : « Tsy mijery ny fahoriam-bahoaka izao fitondrana izao… “

Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena tao amin’ny fandaharana “Ambarao”, ao amin’ny onjam-peo Alliance 92 FM, omaly, ny Jly Camille Vital. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny fahitany ny fitantanana ny firenena sy ny tsy fandriampahalemana…

Tsy niolaka. “Mampiahiahy io fifidianana amin’ny taona ho avy io. Miely ny feo fa hoe any amin’ny taona  2023 mifankahita isika raha ny nambaran’ny sasany satria mbola hiverina eo izao fitondrana izao. Amiko,  tokony hamoaka daty ofisialy ny fanjakana hanaovana ny fifidianana. Mitady ny fomba ipetrahana ela eo ireo mpitondra ireo fa tsy mijery ny fahoriam- bahoaka. Mazava anefa ny lalàmpanorenana fa amin’ny 2018 ny fifidianana ka tokony ho fantatra dieny izao ny daty”, hoy izy. Nohitsiny fa mampalahelo ny ataon’ny fitondrana satria mamerina ny tsy mety nataon’ny teo aloha izy ireo. Tokony hapetraka ny mangarahara sy ny demokrasia ary tokony hijery ny zava-misy marina ny mpitondra. “Iderako ny minisitry ny Vola izany. Miala rehefa misy tsy mety fa tsy mitady ny fomba ipetrahana ela eo. Miarahaba azy aho satria tsy fahita teto izany olona ambony mametra-pialana izany nefa mitazona ny fanalahidin’ny  vola . Manantena aho fa tsy izy irery no hanao tahaka izany. Misy tsy mazava sy tsy ifanarahana ao ary tena antony lehibe matoa izy niala… Manoporofo ny tsy fetezan-javatra eto amin’ny firenena iny fialan’ny minisitra iny”, hoy ity praiminisitra teo aloha ity.

Notsiahiviny fa misy antony avokoa ireny fitokonana etsy sy eroa ataon’ny sendikà  sy ny mpianatra ireny. Tsy fahita izany mpiasan’ny ladoany mitokona izany. Eo koa ny  mpitsara sy ny fitsarana, tokony hahaleo tena nefa jereo ny mahazo azy. “Misy tsindry hatrany. Ohatra ny nitranga teny amin’ny Bianco. Misy loholona tonga eny Ambohibao mamaky vavahady. Tsy mazava intsony ny fampiharana ny lalàna eto amintsika, hoy izy.

Tsy misy fampandrosoana vanona eto…

 Tsy misy  vahaolana fa vao mainka miha milentika ny firenena ary  miha mahantra ny vahoaka, araka ny nambarany. Nanteriny indray fa anisan’ny efa novoziny fony kandidà filoham-pirenena ny tenany ny amin’ny tsy hisian’ny fampandrosoana vanona raha tsy eo aloha ny fandriampahalemana sy ny filaminana. “Izao anefa ny vokany. Tsy misy mihitsy izany,  indrindra any atsimo. Ny eto an-dRenivohitra indray lasa lamaody ny fakana an-keriny. Ohatry n y tsy manao ny asany ny mpitandro filaminana. Tsy mba tahaka izao anefa tamin’ny fotoan’androny. Ny zava-misy, mijaly sy sahirana ny mpitandro  filaminana. Tsy voaloa ny tambin-karamany, ka tsy mahagaga raha misy ny kolikoly. Ho sarotra ny fandriampahalemana raha mitohy izao satria anisan’ny anton’io koa ny fahantrana… Tena mafy ny tranga miseho amin’izao fotoana izao raha mitaha tamin’ny andron’ny Tetezamita”, hoy ity jeneraly efa misotro ronono ity.

Antony nananganana ny Hiaraka isika…

 Nambarany ho anisan’ny vahaolana ny fiaraha-miasan’ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila ary tokony hanana ny paikady arakaraka ny zava-misy isika. Anisan’ny olana koa anefa araka ny nambarany ny tsy tokony hijerena tavan’olona. “Tsy ananana antra rehefa mandika lalàna. Ohatra ny tany Anjozorobe. Nisy zanak’olona ambony nanao ny tsy mety nefa tsy nisy fepetra noraisina. Misy ambonin’ny lalàna izany eto… Mino aho fa manana ny paikady ireo mpitandro filaminana zandry ireo, satria mitovy ny fianarana natao. Mety ho tratry ny tsindry koa anefa izy ireo, ka tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy”, hoy ihany izy.

Ankoatra izany, nambarany fa tsy mba manana lolompo izany ny tenany. Ho azy, namana daholo ny Malagasy rehetra. “Aoka samy hijery ny tokony hatao ny rehetra. Ilaina koa anefa ny fifankatiavana. Anisan’ny antony nahatonga ny anaranay hoe “Hiaraka isika” izany. Tsy nipoitra fahatany io anarana io satria tsy vitan’olon-tokana i Madagasikara. Atambatra ny fahaizan’ny tsirairay mba ahafahantsika mandroso”, hoy ny Jly Camille Vital.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.