Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mendrika : “Mitombo ny mpively « batterie » ”

Mendrika  : “Mitombo ny mpively « batterie » ”

 Feno 20 taona amin’ity taona ity ny nampianaran’i Mendrika (ao anatin’ny tarika Solomiral) ny fivelesana “batterie” na ampongamaroanaka. Ao amin’ny Tahala Rarihasina no misy ny sekoliny. Tao anatin’izay fotoana izay, anisan’ny zavatra nisongadina tsapany ny fitombon’ny isan’ny mpianatra, isan-taona. “Midika izany fa mihamaro hatrany ny olona, indrindra ny tanora, liana sy te hahay ity zavamaneno ity”, hoy izy. Manaraka ny fe-potoam-pianarana any an-tsekoly, izany hoe, sivy volana isan-taona ny fampianarana ao amin’i Mendrika. Ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe, maharitra efa-taona ny fianarana, arakaraky ny talenta ao amin’ny tsirairay. Lavalava kokoa izany ho an’ny ankizy. “Raha oharina amin’ny tany aloha anefa, haingana kokoa ny fandraisan’ny mpianatra ny fampianarana, satria tsapa ho mihatsara hatrany ny “niveau” n any fahaizan’izy ireo, raha vao manomboka fotsiny ny fianarana, noho ny teknolojia, izay anovozam-pahalalana ihany koa”, hoy hatrany i Mendrika. Mikasika ny faha-20 taona nampianaran’ity mpanakanto ity kosa, efa nisy ny hetsika notanterahiny, ny asabotsy teo tetsy amin’ny CGM Analakely, ho fanamarihana izany. Miisa 34 ny mpianatra sy ireo efa nahavita fianarana nifandimby niaka-tsehatra, naneho ny talentany amin’ny fivelesana ampongamaroanaka. Mbola hisy ny hetsika ho fanohizana ny fankalazana, mandra-pahatapitr’ity taona ity.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.