
Anisan’ireo manome lanja ny fikarohana eo amin’ny tontolon’ny mozika ny tarika Mboutah. Maneho hatrany izay voka-pikarohana izay amin’ny alalan’ny fampisehoana ry zareo. Anjaran’ny eto Antananarivo ny amin’ity faran’ny herinandro ity. Fampisehoana hotanterahina etsy amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo, ny asabotsy 22 jolay izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Seho nampitondraina ny lohateny « Izaho mbola mankafy ».
Tany am-piandohana, nifantoka tamin’ny filalaovana ny mozika nentin-drazana malagasy sy ny reggae ny tarika Mboutah. Taty aoriana, nisokatra tamin’ny tontolon’ny « jazz-rock » ity tarika manana ny maha izy azy ity. Nakambana tamin’ny mozika nentin-drazana malagasy izy io ka namoaka zava-baovao indray.
« Mboutah », nalaina sy notakarina avy amin’ny teny malagasy « Tamboho ». « Samy mitondra ny anjara birikiny ny mpikambana tsirairay hananganana io tamboho io. Ny mozika sy ny zavakanto kosa no rihitra simenitra mampikambana anay », hoy ry Mboutah.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.