
Laharana fahatelo tamin’ny firenena 160 nandray anjara tamin’ilay fifaninanana First Global Challenge i Madagasikara. Nahazo ny medaly alimo izy enina mianadahy nisolotena ny Malagasy tany Amerika niatrika io fifaninanana io.
Marihina fa niompana tamin’ny famoronana “robot” hanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio ity First Global Challenge ity.
Tsy mena mitaha amin’ny tanora any ivelany ny tanora malagasy. Mahay ary tsy mampitsanga-menatra ny firenena. Mendrika ny ho alain-tahaka ny zava-bitan’izy enina mianadahy ireo.
Mitaky toe-tsaina tia mamorona sy manangan-javatra ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny tontolo ankehitriny. Tsy miandry tolorana lava fa tia mikarokaroka ary izao misongadina amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.