Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana ambony : miato ny fanomezana alalana hanokatra sekoly « paramédicaux »

Fampianarana ambony : miato ny fanomezana alalana hanokatra sekoly « paramédicaux »

Nivory maika tao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifiika, tao tsimbazaza omaly, ny Commission de reference pour les formations en medecine (CRFM).

Tapaka tamin’izany fa miato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fanokafana sy ny fanomezan-dalana ny sekoly ambony manofana ho “paramédicaux”. Tsy mandray antontan-taratasy fangatahana fisokafana vaovao intsony ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Hisy fidinana ifotony hijerena ireo sekoly efa misokatra hahafahana manome ireo toromarika sy fepetra ilaina amin’ny fankatoavana sy ny kalitao.

Hakatona avy hatrany ireo sekoly mbola minia misokatra kanefa tsy manana fahazoan-dalana.

Niorina tamin’ny taona 2010 ny CRFM. Tanjon’ity vaomiera ity ny handrindra ny tolotra ara-piofanana eo amin’ny sehatry ny siansa sy ny fahasalamana eo anivon’ny fampianarana ambony miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.