Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Distrika Anjozorobe : tsy nahavitana asa goavana ny CLD 2016

Distrika Anjozorobe  : tsy nahavitana asa goavana ny CLD 2016

Efa misasaka ny taona 2017! Natao hampandrosoana ny kaominina ny vola omen’ny fanjakana amin’ny Komitim-paritra ho an’ny fampandrosoana (CLD). Amin’izao volana jolay izao, tsy mbola vita tanteraka ny famaranana ny CLD any amin’ny distrikan’Anjozorobe ho an’ny taona 2016. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Anjozorobe, ny Dr. Andriamanantsoa Lova  fa hivory izy ireo avy amin’ny kaominina 15 amin’ny 27 jolay ho avy izao, hanombanana ny zava-bita. Fanintelony nahitsy ny an’ity distrika ity. Anisan’ny olana ny fanatanterahana ny tsenambaro-panjakana, satria maro loatra ny dingana tsy maintsy arahina, midangana koa ny sarany fanatanterahana azy. Kely anefa ny tetibola natokana isaky ny kaominina, hany ka kely ihany koa ny asa vitany. Lasa ireo orinasa manao ny asa no tena mahazo tombom-barotra.  Raha handray ohatra, mety ho asa mitentina 5 tapitrisa Ar sisa ny vitan’ny tetibola 10 tapitrisa Ar. Mandritra izany, tsy mbola nivoaka ny CLD ho an’ny taona 2017.

“Miompana amin’ny tena fampandrosoana

Na izany aza, nanome toky ny ben’ny Tanàna Anjozorobe, fa tsy miova ny politika ataony ampiasana ny vola CLD ho an’ny kaominina iadidiany. Ifantohana ny fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka, toy ny fanamboarana na fanarenana sekoly, toeram-pitsaboana, tetezana, ny fampitaovana fanitarana asa, sns. Nomarihiny fa misy ampahany fandraisan’anjaran’ny fokonolona sy ny mpahazo tombontsoa amin’ireny asa ireny, mba hisian’ny fiaraha-misalahy amin’ny fampandrosoana.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.