Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Botozaza Pierrot : “Tsy ao amin’ny Tim intsony aho”

Botozaza Pierrot  : “Tsy ao amin’ny Tim intsony aho”

Tsy  anisan’ny mpikambana amin’ny antoko naorin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, intsony aho. Heveriko angamba fa efa tsy ilaina aho satria tsy nantsoina tamin’ny fametrahana sy fananganana ny birao nasionalin’ny antoko” hoy i Botozaza Pierrot, tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo.  Na izany aza, nambarany fa tsy misy olana eo aminy sy ny mpanorina ny Tim. “Mifankahazo am-po tsara izahay mirahalahy, saingy avy amin’ ireo samy mpikambana nasionalin’ny antoko Tim ny  olana. Isehoan’ny fanavakavahana amin’ny endriny maro mihitsy aza izany raha tsorina. Efa hatramin’ny fanolorana kandida sy ny fikarakarana anton-taratasy firotsahana ho fidina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo niantomboka ny tsy fifankazahoan-kevitra teo amin’ny samy birao politika”, hoy ihany izy. Mbola nitohy tamin’ny fanolorana ny anarana ho kandidà loholona izany, araka ny nambarany. Nohamafisin’ ity Praiminisitra lefitra tamin’ny fitondrana Tetezamita ity  fa tsy manana antoko politika mifehy azy izy. Nanangana fikambanana Zanaka ambanivolo mivoatra (Zami) kosa anefa ny tenany mba hisehatra eo amin’ny lafiny sosialin’ny mponina andavanandro sy hitondrana ny fampandrosoana eny ifotony miainga avy amin’ny fiaraha-monina marefo sy ny tantsaha. “Mba ifampitsinjovana eo amin’ny samy Malagasy”, hoy hatrany izy.

Sajo

Les commentaires sont fermées.