Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antanimena : jiolahy tratra nanendaka sinoa

Antanimena  : jiolahy tratra nanendaka sinoa

Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Noraisim-potsiny teo am-panendahana teratany sinoa iray teny Ambohibary Antanimena, ny alatsinainy teo ity jiolahy ity. Ny polisy miasa ao amin’ny poste de police Antaniavo no nahasambotra azy. Voalazan’ny polisy fa nandeha taxi ilay teratany sinoa no niditra an-keriny naka ny finday avolenta teny aminy ilay jiolahy. Raikitra ny fifanenjehana satria nanampy ilay teratany sinoa nanenjika ity jiolahy ity ny olona teo amin’ny manodidina. Nisy kosa ireo niantso polisy ka tsy afa-bela ilay jiolahy.

Efa mpanao asa ratsy eny amin’iny faritra Antohomadinika sy ny manodidina ity jiolahy ity. Maro ireo efa nitondra faisana ary isan’ny mampalaza ratsy azy ny fanendahana anaty fiara rehefa fitohanan’ny fifamoivoizana.

J.C

Les commentaires sont fermées.