Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankadivato : narodana ireo trano tsy ara-dalàna

Ankadivato  : narodana ireo trano tsy ara-dalàna

Tonga teny Ankadivato ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny talata vao mangiran-dratsy, handrava ny trano iray niorina tsy ara-dalàna teny an-toerana.

Nanatanteraka ny didim-pitondrana laharana faha 49-CUA/CAB.17, izay mandidy ny fandrodanana ny fanorenana, izay nataon-dRamatoa Rakoto Ramaniraka Chantal sy Andriamatoa Rakotoniary Eugène, izy ireo tamin’izany.

Niorina teo amin’ny tanin’ny kaominina « Voie d’accès Est n°2 » TN 1235-A sis à Antsahabe ilay trano. Marihina fa trano roa nifanakaiky no narodana teny an-toerana. Voalohany, noho izy ireo miorina eo amin’ny tanin’ny kaominina kanefa tsy nanaraka ireo fepetra sy ny andininy ao amin’ny didim-pitondrana laharana faha 819-CUA/DS/CAB.16.

Ny iray tsy nanana taratasy fahazoan-dalana hanorina kanefa mbola minia manorina trano ihany. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, efa maro ny antanatohatra efa narahana vao niafara tamin’izao fandrodanana izao.

Ny tompon-trano rahateo etsy andaniny efa nahazo ny taratasy fampandrenesana mialoha avy eo anivon’ny Kaominina.

Nanatontosa ny asa fandrodanana ny Direction juridique et contentieux (DJC), ny Direction des travaux publics (DTP) ary ny polisy monisipaly.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.