Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lahatenin’ny ambasadaoro Veronique Vouland-Aneini : mitaky fifidianana malalaka sy tsy manilika i Frantsa

Lahatenin’ny ambasadaoro Veronique Vouland-Aneini : mitaky fifidianana malalaka sy tsy manilika i Frantsa

 Miombom-peo avokoa ny fianakaviambe iraisam-pirenena. “Vao avy nahavita ny dingana rehetra momba ny fifidianana i Frantsa. Hiditra amin’izany kosa i Madagasikara ka maniry mafy izahay fa hanamafy ny demokrasia sy mitaratra ny safidy malalaka ho an’ny vahoaka malagasy izany. Ho fifidianana mangarahara sy tsy manavaka, tsy hanembantsembana ny fahamarinan-toeran’ny firenena sy ny olona koa izany”, hoy ny masoivohon’i Frantsa, Veronique Vouland-Aneni tamin’ny lahateniny, tamin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena frantsay, omaly 14 jolay teny Ivandry. Tsy nijanona teo anefa izany fa mbola notakin’i Frantsa ankolaka amim-pomba diplaomatika koa ny tokony hampiharana ireo fepetra samihafa, tsy mbola tanterahin’ny mpitondra na tsy voahaja. “Fomba tsara indrindra hidiran’i Madagasikara eo anivon’izao tontolo izao ny fametrahana ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalàna, andrimpanjakana mafy orina…”, hoy ihany ny ambasadaoro frantsay. Midika izany fa tsy mankasitraka ny amin’ny mety hanilihana kandidà, toy ny resaka “Ni…ni”  amin’ny fifidianana ny taona 2018 koa i Frantsa, ankoatra ny efa nambaran’ny Amerikanina ny 30 jona teo sy ny eo anivon’ny ONU, amin’ny alalan’ny Pund, afakomaly. Tsy azo ihodivirana intsony izany ny haha kandidà ho filoham-pirenena an-dRavalomanana sy Rajoelina. Efa samy mivoy izany avokoa ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.

Mitaky ny hamongorona ny fakana an-keriny i Frantsa

Ankoatra izany, notsindiny manokana koa ny ny momba ireo teratany frantsay, iharan’ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana , toy ny fakana an-keriny ka niantsoany ny fandraisana andraikitry ny mpitondra izany. Nambarany fa tokony hofongorina ny tsimatimanota sy ireo atidoha mikotrika izany. “Mba tsy hiseho intsony ny fiverimberenan’ny fakana an-keriny ny teratany frantsay sy malagasy ary vahiny, mizaka izany asan-jiolahy izany”, hoy i Veronique Vouland-Aneni.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.