Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho an’ny Cisco 65 nahatonga vokatra : 38% ny taham-pahafahana BEPC

Ho an’ny Cisco 65 nahatonga vokatra : 38% ny taham-pahafahana BEPC

38% ny taham-pahafahana BEPC ho an’ny Cisco 65 (amin’ny 114) nahatonga vokatra hatramin’izao eny anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Cisco dimy, mbola amin’ny ampahany ihany no azo ary ny Cisco ambiny, mbola andrasana. Azo ambara fa nidina ny taha ho an’ny Cisco maromaro efa nahafeno vokatra.

Fepetra vaovao noraisin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny tsy fahazoana manofa ny sekolim-panjakana intsony hanaovana cours na fanomezana fanampim-pahalalana. Mitady vola fotsiny ary manome ny laza adina type ny mpianatra ny tomponandraikitry ny cours, ka raha vao mivadika kely fotsiny ny laza adina any amin’ny fanadinana, misavoritaka tanteraka ny mpiadina. Hisy vaomiera manokana ao amin’ny minisitera handinika ny fangatahana fanofana ny sekolim-panjakana hanaovana cours, manomboka izao. Tsy mampianatra ny tanora hifehy ilay taranja ny mpampanao cours, fa mikirakira ny laza adina type fotsiny.

 

Afaka BEPC i Tahiana, ankizy autiste

Afaka BEPC tamin’ity taona ity i Dafy Hagamamy Tahiana, ankizy manana toe-tena autiste mianatra eny amin’ny Ecole de l’océan indien, eny Ambohidroa. Niarahaba azy ary nanome fanomezana ho azy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena noho ny vokatra tsara azony. Maniry ny ho lasa mpahandro sakafo malaza i Tahiana any aoriana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.