Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fimpima maneran-tany : hamoaka mpianatra ny faritany Amaa

Fimpima maneran-tany : hamoaka mpianatra ny faritany Amaa

Mitohy hatrany ny famoahan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany) mpianatra ho fampitomboana ny ambaindain’ny kabary malagasy. Ho any Moramanga sy Andasibe, faritany Fimpima Amaa (Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo) indray ny foibe, anio sy rahampitso. Mpianatra 22 no tafina lamba maha mpikambana raikitra azy ireo ao amin’ny Fimpima maneran-tany. Mpianatra 12 kosa no havoaka ao Moramanga rahampitso, dimy kosa ny any Andasibe ny alahady izao.

Marihina fa nijoro voalohany (taona 2003) tao anatin’ny faritany Fimpima Amaa ny sampana Fimpima Moramanga. Tsy tapaka fa namoaka mpianatra tsy latsaky ny 20 isan-taona ity sampana ity hatramin’izay.

Aorian’ny any Moramanga sy Andasibe, hihazo an’i Mahajanga indray ny foibe Fimpima maneran-tany, ny 29 jolay izao.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.