Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana birao : maka bahana ny Fizafato

Fifidianana birao  : maka bahana ny Fizafato

 Efa mihetsikatsika. Miomana amin’ny fifidianana handrafitra ny biraony ny Fikambanan’ny zanaka am-pielezan’ny faritanin’i Toliara. Nivory tetsy Andrefan’Ambohijanahary izy ireo, omaly, mialoha ny hanaovana ny fifidianana ny 6 aogositra izao. Anisan’ny misahana ny fikarakarana izany ny komitim-pifidianana (CEF) ary nampahafantatra ny lalàna sy ny pitsopitsony rehetra hiatrehana izany. Anisan’izany ohatra ny momba ny filatsahan-kofidin’ireo ho filoha. Hanomboka ny 20 hatramin’ny 27 jolay ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahana, ka aterina eny amin’ny foiben’ny  CEF etsy Besarety. Hampahafantarina ny rehetra ny 29 jolay, ny lisitry ny kandidà ary hanomboka ny 30 jolay hatramin’ny  5 aogositra ny fampielezan-kevitra, araka ny nambaran’ny filohan’ny komitim-pifidianana, Félice Adolphe.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.