Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fankalazana fetim-pirenena frantsay : nitambotsitra teo am-pitsanganana Rakotomanana Honoré

Fankalazana fetim-pirenena frantsay : nitambotsitra teo am-pitsanganana Rakotomanana Honoré

Nanaitra ny maro. Nitolefika tampoka teo am-pitsanganana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, omaly tamin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena frantsay, 14 jolay.

 

Tsy fahita firy amin’ny lanonana lehibe, indrindra eo amin’ireo olom-panjakana ambony. Soa fa nalaky voavonjin’ny eo anivon’ny arofenitra mpanaraka azy ka tsy nianjera loatra teo amin’ny tany ity lehiben’ny andrimpanjakana etsy Anosikely ity. Voalaza fa noho ny fidinan’ny siramamy ao aminy ny antony nahatonga azy nampitambotsitra tampoka izao. Tsy nisy nahina anefa izany avy eo rehefa avy nandalo tao amin’ny efitrano natokana hitsaboana vonjimaika ireo mety ho tratry ny aretina tampoka, tao amin’ny trano fonenan’ny ambasady, ny tenany. Na izany aza, teo koa ny hafanana somary ambony ihany, ankoatra ny fahanterana sy ny taona efa mitambesatra.  Tsy vitan’izany fa ny fahelan’ny fanombohana ny lanonana noho ny fiandrasana ny Praiminisitra Mahalafy Solonandrasana, mbola nandray sy nihaona tamin’ny SMM, teny Mahazoarivo. Tsy maintsy niandry izany ny rehetra. Voatery niala tsiny tamin’ireo vahiny nasaina rehetra ny ambasadaoro frantsay, Veronique Vouland-Aneini… Noho ny fotoan-gasy ? Afaka niatrika ny lanonana ny filohan’ny Antenimierandoholona nony avy eo.

Maromaro ireo tsy tonga…

Ankoatra azy koa anefa, mbola nisy tanora tovovavy iray safotra koa nobataina malaky nihazo ilay toerana teo ihany.

Etsy andaniny, namanarika ny fetim-pirenena frantsay, omaly, iny ny nirodorodoan’ireo nasaina niarahaba ny filoha teo aloha, Ravalomanana mivady. Nilahatra nandray tanana azy avokoa ireo mpanao politika sy tompon’andraikitra ambony sasany ary koa ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika. Anisan’izany ny ambasadaoron’i Etazonia, Robert Yamate sy ny avy amin’ny Vondrona afrikanina, ny solontenan’ny FMI… Tsy anisan’ireo tonga teny kosa anefa ny mpanao politika sasany. Ohatra, Andrianainarivelo Hajo, ny Praiminisitra mirahalahy teo aloha, ny Jly isany, Ravelonarivo Jean sy i Camille Vital. Namaly ny fanasana kosa anefa ny mpitarika ny Avana, Robinson Jean-Louis.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.