Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ekipa efatra hiady toerana hanampy ny Elgeco Plus

Ekipa efatra hiady toerana hanampy ny Elgeco Plus

 Ho tonga amin’ny tsontsori-mamba. Hotanterahina etsy Mahamasina, ny 19 jolay izao, ny lalao eo amin’ireo ekipa efatra hiady ny tapakila hanampy ny Elgeco Plus hiatrika ny « THB Champions leagues ». Hifampitady amin’izany ny Tana Formation sy ny miaramilan’ny Cosfa arahin’ny fihaonana eo amin’ny AS Adema sy ny Mama FC. Tokony hatao any amin’ny faran’ny volana izany andro voalohany izany saingy tery ny fotoana ka tsy maintsy haroso amin’ny 19 jolay izao izany. « Vitaina eo anelanelan’ny lalao mandroso sy miverina eo amin’ny Barea sy i Mozambika, lalao tafiditra amin’ny Chan izany noho ny hateren’ny fotoana », hoy ny filohan’ny ligin’Analamanga i Tota. Hotanterahina aorian’ny lalao miverina eo amintsika sy ny Mozambikanina kosa ny andro faharoa sy ny fahatelo ka hahitana ny solontenan’Analamanga hiaraka amin’ny Elgeco Plus hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.

Ekipa 16 hisolo tena an’Analamanga

 Etsy andaniny, hanomboka ny 29 jolay izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Telma Coupe ». Hanana ekipa 16 hisolo tena azy ny eto Analamanga ka anisan’izany ny Fosa Junior sy ny Cnaps Sport avy eto Analamanga.

Tsiahivina fa efa nanao ny famaranana teo amin’ny « Telma Coupe » tamin’ny taon-dasa ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.