Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boky sy kolontsaina : hivoaka ny « Valihan’Ikaky »

Boky sy kolontsaina  : hivoaka ny « Valihan’Ikaky »

Fanitsiana vitsivitsy eo amin’ny lafiny teknika sisa andrasana. Hivoaka eto an-toerana ny boky « Valihan’Ikaky » hoenti-mianatra sy mampianatra ny valiha malagasy. Miavaka noho ny efa fahita hatramin’izay izy ity satria ankoatra ny fampianarana mitendry valiha ao anatiny, ho hita ao ihany koa ny mombamomba ny valiha, toy ny tantarany, ny tsiambaratelony, ny hevitra fonosiny, ny fivelarana sy fiovana tazana amin’ny valiha, sns.

Ho an’ny fampianarana mitendry valiha ao anatin’ny « Valihan’Ikaky », manaraka ny fomba iraisam-pirenena fampianarana zavamaneno izy io, raha ny fanazavan’ny mpanoratra, mampiasa solfezy.

Hoenti-manandratra sy manome hasina ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy, hira sy feonkira malagasy avokoa no mandrafitra ny fampiasana sy ny fampiharana ao anatiny. Nohajaina fatratra mba tsy hiova amin’ny namoronan’ny tompony azy (raha fanta-tompo) izy ireo. Nohamaroina kokoa ny vakodrazana (tsy fanta-tompo) ao anatiny.

Fantatra fa anisan’ny ezaka lehibe natao hampiavaka ity boky ity ny famoaboasana ireo teny sy voambolana fahiny mifandraika amin’ny valiha malagasy.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.