Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – «Afrobasket Men U16» : lavon’i Alzeria tamin’ny isa tery i Madagasikara

Basikety – «Afrobasket Men U16»  : lavon’i Alzeria tamin’ny isa tery i Madagasikara

Tsy mbola tafarina ny ekipam-pirenena Malagasy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety, sokajy zandriny U16 “Afrobasket Men”. Fihaonana tanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy. Resy fanindroany indray mantsy i Madagasikara, omaly. Lavon’i Alzeria, tamin’ny isa tery 60 no ho 59.

Niady hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta, ary efa tany amin’ny minitra farany vao tafavoaka ho mpandresy ry zareo Alzerianina tamin’ity. Nifanenjehana hatrany mantsy ny isa teo amin’ny roa tonta. Nisaraka ady sahala 13 no ho 13, ny andaniny sy ny ankilany, teo amin’ny 10 mn voalohany. Tsy nihafihafy mihitsy ry Sitraka sy ry Safidy, fa avy hatrany dia nanafika.

Nanafaingana ny lalao kosa avy eo ry zareo Alzerianina, izay somary nampisavoritaka ny fiarovantena Malagasy, hany ka nanjary izy ireo indray no nitarika tamin’ny isa. Na izany aza, nahafaty baolina ihany ny Malagasy. 29 no ho 22, ny nisarahan’ny roa tonta, tamin’izany. Nitarika, tamin’ny isa 42 no ho 35, ny Alzerianina teo am-pialan-tsasatra.

Nanova paikady ny Malagasy teo amin’ny 10 mn fahatelo. Nirafitra tsara ny fiarovantena, ary haingana ny valim-panafihana. Hany ka tsy nahavita nanao na inona na inona mihitsy ireo mpilalaon’i Alzeria, na dia mbola nitarika ihany aza izy ireo. Efa nifanakaiky ny isa teo satria 43 no ho 39, ny nisarahana tamin’io.

Nangotraka ary tena nampitsanga-mitoetra ireo mpijery ny tapa-potoana fahefatra farany. Nosahalain’ny Malagasy 43 no ho 43 ny isa, vao nanomboka 3 mn monja ny lalao, ary nihoarany, 47 no ho 43, mihitsy. Nosahalain’i Alzeria, ho 52 no ho 52 indray teo amin’ny 4 mn tsy hiravana, ary mbola nitovy indray ny isa 59 no ho 59, hatreo amin’ny 10 segondra. Nahazo fahadisoana indray anefa i Alzeria, ka teo no nahavery an’i Madagasikara.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.