Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fandriampahalemana : azo antsoina avy hatrany ny 117

Tsy fandriampahalemana  : azo antsoina avy hatrany ny 117

 Notontosaina, omaly teny amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar momba ny fametrahana laharana maimaimpoana antso vonjy taitra 117. Miaraka amin’ny fanomezana poste fixe SAGEM miisa 42 sy finday miisa 78 miaraka amin’ny puce orange miisa 120 ampiasana ity laharana vaovao 117 ity. Mitentina 24 tapitrisa Ar ny tentimbidin’ireto fitaovana nomen’ny Orange Madagascar ho an’ny polisim-pirenena ireto. Tonga nanolotra ireo fitaovana ireto ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Michel Degland. Nandray izany kosa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de police, Andrianisa Mamy Jean Jacques izay nanamafy fa tafiditra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izao fiaraha-miasa izao. Haparitaka amin’ny kaomisaria isaky ny distrika manerana an’i Madagasikara ireto fitaovana ireto, araka ny fanazavan’ny minisitra. Na aiza na aiza toerana hiantsoan’ny olona io laharana 117 io ho an’izay mila famonjena, ny kaomisaria manakaiky azy no mandray ny antso. Miavaka amin’ilay laharaha 017 nampiasaina teto an-drenivohitra ity laharaha vaovao 117 ity.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.