Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Semi-marathon 21 km – sokajy zokiny indrindra : tompondaka eran-tany, Rtoa Deirdre Larkin, 85 taona

Semi-marathon 21 km – sokajy zokiny indrindra  : tompondaka eran-tany, Rtoa Deirdre Larkin, 85 taona

« Fotoana farany nihazakazahako talohan’ny faha-78 taonako, mbola tany amin’ny lycée, ary tamin’izany fotoana izany, tsy alehany mihitsy aho », hoy i Deirdre Larkin, teratany britanika, mpitendry piano taloha, mipetraka ao Afrika Atsimo, nanomboka ny taona 1970.  Ankehitriny Deirdre Larkin 85 taona, tompondaka eran-tany, eo amin’ny semi-marathon 21 km, sokajy maherin’ny 80 taona, vitany  2 ora sy 05 mn.

« Isaky ny vita ny hazakazaka ataoko, tsy mino aho tamin’izay zava-bitako », hoy izy. « Henoko mikorina tsara ny rako, salama ny vatako, tsy heveriko fa mbola manana hery ambony toy izany aho », hoy ihany izy.  « Raha tsy mihazakazaka aho amin’ny fiainako, toy ny tsy miaina, fahafatesana miandalana », hoy ihany Ramatoa. Amin’ny volana septambra ho avy izao, feno 87 taona, tsy mihevitra  hijanona amin’ny hazakazaka fanaony, raha mbola azony atao ihany. « Na tongotra iray ihany aza no afaka, mino aho fa ho tonga hatramin’ny farany ihany », narahiny tsiky feno fanantenana.

Isaky ny vita ny tapaka andro maraina, mandray kiraro Nike sy short, tsy miala sasatra atoandro, fa avy hatrany manao fanazaran-tena. Avy eo Deirdre Larkin, mandray ny fiarakodiany mandeha mampianatra piano isaky ny folakandro. Miravaka medaly 500 ny efitranony, azony tamina fifaninanana isan-karazany.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.