Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Analamanga : hidina an-kianja hanakana ireo lalao i Andry La Pie

Rugby Analamanga  : hidina an-kianja hanakana ireo lalao i Andry La Pie

 Tsy mety ahitam-bahaolana ny savorovoro eo anivon’ny taranja rugby, eto Analamanga. Nandray fepetra ny mpitarika ny ligy ka hampitsahatra ireo lalao eny Andohatapenaka.

Hentitra ary nahitsy. “Tsy misy afa-tsy ny ligin’Analamanga tarihiko irery ihany no ara-dalàna eto”, hoy ny filohan’ny ligy, i Andry La Pie, omaly, manoloana ny savorovoro eo anivon’ny rugby eto Analamanga. Nohitsiny fa manana ny taratasy ara-dalàna amin’ny fitantanana izany rafitra izany ny tenany ka tsy tokony hisy afaka mikarakara lalao ankoatra ny Analamanga rugby eto. “Misandoka avokoa ny ankoatra izany. Mampitandrina ireo klioba mikasa ny hanaraka ny komity manokana (comité ad’hoc) izahay fa ho voasazy avokoa izy ireny”, hoy ihany izy. Nanteriny fa hidina eny amin’ny kianjan’ny Makis mihitsy ny tenany sy ny ekipany amin’ny alahady ho avy izao hanatsahatra amin’ny fomba ara-dalàna ny lalao kasain’ny komity manoloana hotanterahina.

Miantso fifanatonana

 Etsy andaniny, nanao fanambarana ireo fileovana anatin’ny firaisana fahefatra, omaly tetsy Anosibe miantso ireo mpiantsehatra rehetra, manomboka amin’ny klioba, seksiona, ligy, federasiona, Kom ary ny minisitera mba hihaona sy hifanatona, manoloana ny savorovoro eo anivon’ity taranja  lavalava ity. “Mijaly loatra ny klioba. Efa fito volana izao tsy niatrika fifaninanana ka tokony hovahana haingana ny olana. Tsy mahagaga ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena teo satria tsy ampy fifaninanana ireo mpilalao”, hoy izy ireo. Ankoatra izany, nahemotra ho amin’ny 23 jolay indray ny tohin’ny fifaninanana karakarainy noho ny lalao iraisam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra.

Ho tonga hatraiza izao savorovoro eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja rugby izao ?

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.