Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : tranga iray, fomba fijery mifanipaka

Manao fanambarana manokana amin’ny gazety maro ny fitondrana taorian’ny sabotsy izay nahitana fa noho ny sakana nanoheran’ny mpitandro filaminana azy dia nandamoka ny hetsika nokasain’ny Tim hatao teo Mahamasina ho fankalazana ny faha 15 taona niorenany. Araky ny fitazan’ny fitondrana azy moa dia ny fihetsiketsehana an-dalambe dia fanakorontanana ny firenena ary mandifotra tanteraka ny vahoaka. Tsy naka sarotra moa Ravalomanana Marc tamin’ny fomba nitondrany valiny izany fanambarana izany. Tsy an-dalambe fa tao anatin’ny fefin’ny kianjan’ny Mahamasina no nangatahany alàlana no sady nanome toky izy fa fivavahana sy lanonana no nifanomezan’ny mpikambana sy ny vahininy fotoana ary na an-kabary na amin’ny hetsika, efa nifanaiky ny rehetra amin’ny fifehezana mba tsy hitrangan’ny fihoaram-pefy.

Na ny andaniny na ny ankilany dia asa na samy very tadidy na mody manadino fa halan’izay eo amin’ny fitondrana anie izay mety ho fivorivoriam-bahoaka rehefa tsy izy na vondrona mpanohana azy no manentana izany. Izay nifandimby teo dia samy voan’io aretina fanjakazakana mifangaro tahotra io. Tafahoatra angamba ny fitiavana ilay toerana sady manonja ny ahiahy ho very azy io ka tsy mety ho tonga saina amin’ny fandraisana ho anatra ny loza nodinganin’ny teo aloha. Raha fandrarana lalandava sy fanampenam-bava no asesy amin’ny vahoaka, no sady tsy misy vokatra mivaingana aroso ho an’ny mponina, dia fahavakisan’ny takotra no sedraina hatrany. Vilany poakaty tsy misy hohanina, raharahian’iza moa na hitresaka any aza. Ny mpahandro nihinan-drery angamba no halahelo fa very fihinanana. Hafahafa noho ny nenina izay tsy ao aloha fa ao aoriana anie ny krizy izay fahasahiranana mandifotra, fa mialoha toy izao iainana izao. Aiza kosa no sady tsy hanana atao am-bava ho atelina no mbola ho tapenam-bava tsy afaka hitaraina. Na eo aza ireo mitady hanararaotra, raha manana fahalalahana haneho ny fitakiny eny an-dalambe ny mponina dia mazava fa ny hany tanjony dia ny fahenoan’ny  tompon’andraikitra an’ilay fangatahany ary tsy voatery hifono tetika fanonganana izany. Raha tsy afaka afa-tsy ny fikobonana anaty an’izany hetaheta izany nefa mamirifiry tsy misy fanafody ny krizy dia raha tafarongatra midina an-dalambe ny mponina dia mety azon’

ny faharomotana tsy te hahafantatra afa-tsy ny fandrodanana. Tsy ny vahoaka irery no difotra rehefa izay no mitranga.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.