
Koloiko sy hajaiko ny teniko (KHT). Mitohy hatrany ny hetsika ho fanabeazam-boho ny teny malagasy karakarain’io vondrona anaty tambanjotran-tserasera « facebook » io. Voafidy ho « Mpanoratry ny taona 2016 » i Dafy Noely. Maro ireo mpanoratra nametraka ny sanganasany tao amin’ny KHT. Nampiana ireo asa soratra nisongadina tamin’ireo fifaninanana nokarakarain’ity vondrona nandritra ny taona 2016. Naroso hofidin’ny olona izy ireny. Taorian’ny dingana roa tamin’ny fitsarana, 13 ny isan’ny voafantina. Nahazo ny laharana voalohany teo alohan’ny sanganasan’i Soamiely Andriamananjara sy ny an’i Barry Sirjon ny diampenin’i Dafy Noely.
Anisan’ny mpanoratra nametraka ny sanganasany maro indrindra ao amin’ny vondrona « Koloiko sy hajaiko ny teniko » i Dafy Noely. Maro nanaraka izay ihany koa ireo nifidy ny sanganasany ka izao nisalorany ny « Mpanoratry ny taona 2016 » izao.
Fantatra fa hatolotra azy amin’ny volana aogositra izao ny mari-pamantarana sy ny valisoa milaza izay ezaka lehibe vitany eo amin’ny tontolon’ny soratra sy ny teny malagasy izay.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.