Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika tamin’ny asabotsy teo : nihaona tamin’ireo masoivoho ny Tim

Hetsika tamin’ny asabotsy teo  : nihaona tamin’ireo masoivoho ny Tim

 Voarain’ny  Amerikanina sy ny Frantsay ny tatitra. Nitondra fanazavana momba ny tena tranga niseho ny asabotsy teo, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana, omaly, teny Faravohitra.  Nambarany fa nihaona tamin’ny ambasadaoron’i Frantsa sy Etazonia ny tenany ary nitantara ny zava-niseho.  “Mba tsy hihainoana feon-dakolosy tokana ny antony nandehanako tany amin’izy ireo. Tena naha talanjona ny iraisam-pirenena ireny rehetra ireny », hoy izy. Momba ny feo miely amin’ny filazana fa ho samborina ny tenany, mazava ny nambarany fa tsy matahotra izany izy. “Izaho manara-dalana indray ve no samborina ?”, hoy ny mpanorina ny Tim.

Ankoatra izany, nitondra ny heviny koa Ravalomanana momba ny lalàm-pifidianana. Anisan’izany ny famerana ny vola ho an’ny fampielezan-kevitra, ho an’ny fifidianana. “Tsy mampaninona ahy izany. Avelao ny vahoaka hifidy ny tiany. Ho hita eo ny tena tian’ny olona na tsy ampy aza ny eo an-tanana hanaovana fampielezan-kevitra”, hoy ihany izy.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.