Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fidangan’ny vidim-piainana : nisondrotra 7,5% ny faktioran’ny Jirama

Fidangan’ny vidim-piainana  : nisondrotra 7,5% ny faktioran’ny Jirama

Araka ny efa notaterina teto, nisondrotra 7,5% tokoa ny faktioran’ny Jirama tamin’ity volana jolay ity. Araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny, nandritra ny fitsidihany ny toby mpamokatra herinaratra eny Ambohimanambola, ny volana jona lasa teo, tafiditra ao anatin’ny fampifandanjana tsikelikely ny vola miditra sy mivoaka amin’ny Jirama ity fisondrotana ity. Iaraha-mahalala ny fatiantoky ny Jirama, izay saika lany amin’ny fividianana solika, indrindra ny gazoala, mampihodina ireo milina mpamoakatra herinaratra ny fandaniam-bolany. Nohazavainy koa fa « anisan’ny hampihenana ny masonkarena koa ny fampiasana solika menaka mavesatra (fuel), mora lavitra mihoatra amin’ny gazoala. Raha vidiana manodidina ny 3.000 Ar, ohatra, ny litatry ny gazoala, manodidina ny 2.000 Ar ny litatry ny fuel”.

Manodidina ny 7% ny fisondrotry ny vidim-piainana

Tsy tongatonga ho azy io taha 7,5% io satria manodidina ny 7% ny tahan’ny fisondrotry ny vidim-piainana nofaritan’ny tetibolam-panjakana. Voakasik’io fisondrotana 7,5% io ny mpanjifa tsotra sy madinika, kely fandaniana jiro sy rano. Mahatratra 15% kosa ny fiakaran’ny faktioran’ny Jirama ho an’ny mpanjifa vaventy, toy ny orinasa. Tsy fantatra kosa raha tena mahaloa ara-dalàna ny faktiorany sy ny trosany ireo mpanjifa tena mpandany jiro sy rano, toy ny oniversite, ny minisitera sy ny rafi-panjakana, na esorina amin’ilay fanampiana ara-bola, manodidina ny 450 miliara Ar.

Randria

Les commentaires sont fermées.