Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA : gaboraraka ny tsena Andravoahangy

CUA  : gaboraraka ny tsena Andravoahangy

Maro ny andrana natao, saingy tsy manana paikady mahomby sy maharitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) manoloana ny tsy fanarahan-dalàn’ny mpivarotra. Ankoatra ny mpivarotra amoron-dalana tsy mety foana  eny Analakely, manjaka ny gaboraraka etsy amin’ny tsenan’Andravoahangy. Tena ahitana izany manomboka eo Mascar hatreny amin’ny  fihodinana akaikin’ny paositra Andravoahangy, sy ny mifampitohy amin’ny fihodinana mankany Mahavoky. Tsy misy hajany intsony ny arabe ho an’ny fiara, ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisiny ary any anaty tsena ny mpivarotra. Ny zava-misy, tonga hatreny afovoan’ny arabe sy ny sisiny ny mpivarotra, indrindra ny mpivarotra legioma. Malalaka tsy misy mampiasa anefa ny ankamaroan’ireo latabatra ao anaty tsenan’Andravoahangy.

Manakana fiara no tena ataon’ny polisy kaominaly

Manana lehiben’ny tsena ny ao Andravoahangy saingy tsy hita taratra ny fandaminana ataony.

Ahitana polisy kaominaly koa eny an-toerana, saingy samy mitazam-potsiny. Misakana fiara fitaterana taxi-be sy ny taxi no tena ifarombahan’izy ireo, toy ny eo Mascar sy Ambatomainty. Nambaran’ny mpamily taxi-be iray taminay fa manome 5.000 Ar hatramin’ny 10.000 Ar vao averin’ireny polisy kaominaly ireny ny taratasin’ny fiara. Hampitombo isa ny mpanao kolikoly ve ny fampidirana polisy kaominaly, toy ny tatitry ny Transparency international, fa anisan’ny tena ahitana kolikoly ny zandary, ny polisy, ny kaominina?

Randria

Les commentaires sont fermées.