Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tapitra ny fe-potoana nomena ny fitondrana : hanao fitokonana faobe ny mpitsara manerana ny Nosy

Tapitra ny fe-potoana nomena ny fitondrana  : hanao fitokonana faobe ny mpitsara manerana ny Nosy

Afa-nenina tanteraka. “Hikatona tanteraka ny fitsarana manerana ny Nosy sy ny birao rehetra manomboka ny talata izao”, hoy ny filoha lefitry ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), Fanahimanana Tiaray, omaly tetsy Tsaralalana. Nohitsiny fa tsy nahafa-po ny fihaonana tamin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, afakomaly. “Tsy vitan’izany fa fanambaniana anay ny tsy fandraisan’ny minisitra anay”, hoy ihany izy.

Tsiahivina fa nanome fe-potoana 10 andro ny fitondrana mba hamaliana ny fitakiny ny SMM. Anisan’izany ny hametrahana ny fanjakana tan-dalàna. Toy ny fampiharana ny didim-pitsarana, ny tokony hitohizan’ny “Raharaha loholona Andriamandavy Riana”. .. Eo koa ny tsy mbola nampiharana ireo fehin-kevitra tamin’ny atrikasan’ny mpitsara ny taona 2011. “Voatery izahay naka izao fanapahan-kevitra izao satria tsy mihaino anay ny fitondrana”, hoy ihany ny eo anivon’ny SMM.

Araka izany, mbola ho raharaha hafa indray koa miandry ny fanjakana ankoatra ny resaka politika sy ireo fitakina sendikaly hafa ny momba izao fitokonamben’ny mpitsara rehetra izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.