Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miaramila nananika an’i Mahamasina : hitory ny fanjakana manoloana ny fihiaram-pefy ny Me Olala

Miaramila nananika an’i Mahamasina  : hitory ny fanjakana manoloana ny fihiaram-pefy ny Me Olala

Tsy hipetra-potsiny. “Azo adika ho fidirana an-keriny tsotra izao amin’ny tanànn’olona ny nataon’ny miaramila. Namotika ireo fitaovana sy kojakoja tao anaty kianja koa. Fanaovana tsinontsinona ny tompon-trano, ny tanànan’Antananarivo, izany”, hoy ny mpisolovava ny kaominina (CUA) ny Me Olala, omaly tetsy Mahamasina. Nambarany fa hitory ny fanjakana ny tenany  manoloana izao fanitsakitsahana lalàna izao, miainga amin’ny fidirana an-keriny tsy nahazoana alalana sy fanimbana fananan’olona. “Raha tsy tafapetrakay anio (omaly) izany, haterinay amin’ny alatsinainy izao”, hoy ihany izy.

Tsiahivina fa tratran’ny antsojay, tahaka izao, hatrany ny CUA tato anatin’ny herintaona izao. Teo ny nidiran’ny mpitandro filaminana an-keriny ny tobin’ny polisy monisipaly teny Anosipatrana tamin’ny nanagiazana ireo kamiaon’ny Sinoa niasa, ara-dalàna teny Andohatapenaka. Teo koa ny nidiran’ny andiana mpitandro filaminana avy amin’ny toby iray tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, andro alina noho ny resaka fivarotana amoron-dalana.

Hanao ahoana indray ny amin’ity indray mandeha, ka nitorian’izy ireo ny fanjakana, ity ?

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.