Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Me Olala : « Te hitory ny DG-n’ny Air Mad aho »

Me Olala  : « Te hitory ny DG-n’ny Air Mad aho »

Tonga tao amin’ny foiben’ny kaompania Air Madagascar, Analakely, omaly, Rabarinala Rado sy ny namany, notronin’ny mpisolovava, ny Me Razafinjatovo Willy, antsoina hoe Olala, ny vadintany ary ny fiombonan’ny sendika SSM. Anton-dian’izy ireo, hitondra ny taratasy mirakitra ny fanatanterahana ny didim-pitsarana, miampy ny toromarika avy any amin’ny mpampanoa lalàna, mandidy ny orinasa Air Madagascar hamerina amin’ny asany an-dRabarinala Rado sy ny namany. Nambaran’ny Me Olala fa tonga teo an-toerana izy ireo tamin’ny 10 ora maraina, nampifilafilaina tsy nampidirina. Nihidy ny trano ary tsy nahitana mpiasa nandray azy ireo na iray aza. Tamin’ny 11 ora, nandray azy ireo ihany ny tale jeneralin’ny Air Madagascar, saingy nilaza ity farany fa tsy afaka mandray azy ireo satria tsy mety aminy.

Ambonin’ny lalàna ny didim-pitsarana

Nanamafy ny Me Razafinjatovo Willy fa “hanatanteraka didim-pitsarana no hataon’izy ireo fa izay ambon’ny lalàna rehetra”. Manoloana izany, nomarihiny manokana fa “te hitory ity tale jeneralin’ny Air Madagascar ity aho amin’izao fandavana hanatanterahana didim-pitsarana izao. Mihevitra azy ho ambonin’ny didim-pitsarana izy,…. Nampiany fanazavana koa fa mampalahelo ny mahita Malagasy tompon’andraikitra nefa tsy sahy mandray andraikitra”.

Randria

Les commentaires sont fermées.