Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Mampitempo ny fo” : hifamerina amin’ireo mpankafy i Lôla

“Mampitempo ny fo” : hifamerina amin’ireo mpankafy i Lôla

Tsy niady akory, ary tsy nisaraka koa… Na izany aza, elaela tsy nifamotoana tamin’ireo mpankafy azy eto Antananarivo i Lôla. Vaovao lehibe ho an’ireto farany, hisy ny famerenana indray ny fiarahana taloha, rahampitso alahady 9 jolay, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro etsy Antsahamanitra.
Mampitempo ny fo”, lohatenin’ny fampisehoana izay manambara maro. Mazava loatra fa hanjaka ny hiram-pitiavana izay nahafantarana an’i Lôla hatramin’izay. Maromaro rahateo ireo hira vaovao, toy ny “Mbola tena tia anao” sy ny “Mampitempo ny fo”.
Araka ny fantatra, hisy ny fampiaraham-peo maromaro iarahan’i Lôla amin’ireo mpanakanto namany, amin’ity fiarahana ity. Maromaro toy izany koa ny endri-tseho tsy hampoizina…

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.