Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filatex : voahoso-potaka ny anarany

Filatex  : voahoso-potaka ny anarany

 Misy orinasa iray, antsoina hoe Prim misoloky ny anaran’ny orinasa Filatex, indrindra amin’ny resaka fananan-tany. Raha ny fantatra, anisan’ny voakasik’izany ny tany eny Soavimasoandro, ilalaovan’ny tanora manodidina ny 250, mpilalao baolina lavalava. Nampiasa io toerana io ity fikambanana ity nanomboka ny taona 2005. Ny 14 jona 2017 teo tamin’ny 7 ora maraina anefa, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny vadintany nandroaka ny olona rehetra teo. Nofefen’ny olona manodidina ny 70 ilay kianja, ary mitohy ny asa hatramin’izao. Tsy nisy ny filazana mialoha sy fampandrenesana ny mponina manodidina. Nitady ny taratasy ara-panjakana mombamomba ny tany ny fikambanan’ny tanora, satria efa ela no nangatahany hividianany azy, ary fantatra fa amin’ny anaran’ny orinasa Prim. Milaza fa sampan’orinasan’ny Filatex ity orinasa ity, nefa tsy marina velively ary ambaran’ny Filatex fa tsy misy ifandraisany amin’izy ireo mihitsy sady tsy misy idirany mihitsy ity raharaha ity.

Rehefa natao ny fanadihadiana, voalaza fa i Eric Nazaraly no tompon’ny orinasa Prim. Efa nanao fomba toy izao koa ity orinasa ity, mitonona ho Filatex, tany amin’ny toeran-kafa, toy ny fanorenana trano fonenana maromaro teny Ambatobe.

Randria

Les commentaires sont fermées.