Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA : ho hentitra ny sazy ho an’ny taxi tsy ara-dalàna

CUA  : ho hentitra ny sazy ho an’ny taxi tsy ara-dalàna

Manohy ny fanaraha-maso akaiky ireo fiarakaretsaka tsy ara-dalàna eto Antananarivo Renivohitra ny tompon’andraikitra misahana ny fitaterana ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Efa nisy taxi maromaro  tratra tamin’izany. Misy ny sazy izay azon’ireo taxi  tsy manara-dalàna  toy ny fanagiazana azy etsy Anosipatrana mandritra ny 10 andro sy manova ny lokon’ny fiara ara-dalàna.

Rehefa feno ireo fepetra takina ireo vao mivoaka ny fiara. Manentana ihany koa ny kaominina Antananarivo ho an’ny olona rehetra izay mahita kolikoly ataon’ny polisy monisipaly amin’ireny taxi ireny mba hampandre haingana ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. Hisy ny fepetra henjana horaisin’ny CUA.

Noho izany, tsy anjaran’ny fikambanan’ny taxi mihitsy ny manao fanaraha-maso sy mitsara ireo polisy monisipaly. Tokony hanao tatitra any amin’ny kaominina izy ireo milaza izay zavatra tsy ara-dalàna misy na kolikoly ataon’ireo polisy monisipaly  mba handraisan’ny CUA fepetra hentitra  satria ny kaominina Antananarivo Renivohitra no fahefana mahefa.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.