
Tovolahy iray antsoina hoe Baina, 19 taona, voasambotra niaraka tamin’ny rongony rarany 14 solefanina kely sy fonosan-drongony lehibe miisa 190, izay milanja 8 kg sy 700 grama, ny alakamisy teo, teny Anosivavaka. Nandritra ny famotorana natao azy, nambarany fa avy any atsimo ireo rongony ireo ka vidiany 600 000Ar ny iray gony. Fantatra ihany koa fa zafikelin’dRaneny izay ramatoa lehibe efa fanta-daza amin’ny fivarotana rongony eny amin’iny toerana iny ity tratra ity. Nilaza i Baina fa efa tsy manao intsony io bebeny io ankehitriny fa ny zanany sy ny zafikeliny indray no mandimby azy.
Yves S.
Les commentaires sont fermées.