Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambanidia : nakatona ny biraom-pokontany

Ambanidia  : nakatona ny biraom-pokontany

Mikorontana ny mponina eny amin’ny fokontany Ambanidia fa harodana ny biraom-pokontany ary efa nakatona izy io ankehitriny. Nahazo fampandrenesana ny tomponandraikitra avy ao amin’ny fokontany fa misy tompony ny tany izay nitoeran’ny biraon’izy ireo.

Marihina fa efa 30 taona mahery io birao io no niorina ka ny fokonolona mihitsy no nanangana azy.

Ankehitriny anefa, misy milaza fa tsy ara-dalàna ny taratasin’ny tany ka izay no mahatonga ny disadisa izany. Nohidina aloha ny biraom-pokontany mandra-pahitana ny vahaolana mety amin’ny rehetra.

Misavoritaka sy mimenomenona ny mponina eny Ambanidia satria ampinga iray ilaina amin’ny fiainana andavanandron’izy ireo ny biraom-pokontany. Ilaina ihany koa amin’ny fikarakarana taratasy isan-karazany sady ilaina amin’ny famahana olana amin’ny fiarahamonina sy ny tokantrano. Irina mafy noho izany ny hampilamina haingana ity toe-draharaha ity.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.