Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Conservation international : miisa 38 ny faritra arovany eto Madagasikara

    Conservation international : miisa 38 ny faritra arovany eto Madagasikara

    Mifototra amin’ny vokatry ny fitiliana ny karazana singa manan-danja amin’ny tontolo mananaina eto Madagasikara ny fomba fiasan’ny fikambanana Conservation international (CI) eto amintsika. Alahatra araka io, ny laharam-pahamehana ny asa hatao manerana ny Nosy. Mahatratra 38, ankehitriny, ny Faritra arovana vaovao (NAP) iasany ka telo amin’ireo no tena sahaniny mivantana, ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena (Caz), ny Tandavanala Fandriana-Vondrozo (Cofav) ary ny vavaranon’Ambodivahibe any Antsiranana.

    Miara-miombon’antoka amin’ny rafitra miaro ny tontolo iainana hafa kosa ny CI amin’ireo NAP hafa. Anisan’izany ireo sokajina  ho faritra mando toy ny any Mahavavy-Kinkony, ny any Mangoky Ihotry, ny reniranon’Nosivolo, sns. Eo koa ny fari-dranomasina, toy ny vavaranon’i Bali, ny vavaranon’i Bombetoka.

    Mahatratra 122, ankehitriny, ny Faritra arovana nahazo ny fankatoavana, ka tantanin’ny Madagascar National Park (MNP) ny 43. Ao anatin’ny sokajy fahadimy sy fahenina ny ankamaroan’ireo NAP ireo. Anisan’ny paikady hatao ny fitantanana azy ireny iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ary manana andraikitra amin’izany koa ny mponina eny ifotony.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.