Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifandraisana an-telefaonina : Bianco – Claudine Razaimamonjy #Audio

Fifandraisana an-telefaonina : Bianco – Claudine Razaimamonjy #Audio

https://youtu.be/n-UbwsXwHCU

Bianco: Allo izaho ihany, Tompoko, ilay niantso teo. Avy aty amin’ny BIANCO

Ramatoa Claudine: Allo ! dia inona? dia maninona ?

Bianco: Aaa miresaka moramora madama a

Ramatoa Claudine: Ianareo ao amin’ny Bianco zany dia zao fotsiny ny zavatra teneniko anareo, tsy aleo miandry an’i président Hery hiala ianareo vao miantso ana ? Ianareo efa fantatray fa hampiasain’ny mpanohitra … efa misy mpanao gazety miandry anà eo … aleo miandry an’i président hery miala ianareo vao miantso anà, zay fotsiny no teneniko anareo

Ianareo hampiasain’ny mpanohitra, zay fotsiny no teneniko anareo

Bianco: Nenay manao asa izahay dia tsara ngamba isika raha mihaona

Ramatoa Claudine: Ka tsy rarahiko izany e, tsy mila anareo zany aho. Alaivo aty Iavoloha aho raha sahy ianao

Bianco : Tsy haka anao izany izahay madama fa ianao olona manankaja

Ramatoa Claudine : Alaivo aty amin’ny palais za, raha mahasahy ianareo

Bianco: Izahay anie Madama hikaroka ny marina, manao fanadihadiana e?

Ramatoa Claudine: Fanadihadiana amin’ny inona? Tsisy saina maty daholo! Mangala « audience » any amin’i Hery Rajaonarimapianina ary! Andraso hiala i Rajaonarimampianina vao miantso ahy ianareo… Ianareo ataon’ny « opposition » fitaovana ry Bianco a… Alaivo aty amin’ny Palais aty Iavoloha aho raha sahy ianareo! Tongava aty Iavoloha fa aty aho izao!

Fa tsy misy hafa tsy mpanohitra, kobonay daholo ny histoire anareo … zay au pouvoir rangà tsy hampiorohoronareo zany a, hifankahita eto isika

Bianco: Ny angatahinay madama ny hihaona aminao raha afaka ianao

Ramatoa Claudine: Tsy mila anareo aho, ambarako anareo tsara mintsy.

Bianco : Na ohatra oe aty amin’ny birao na any amin’ny izay birao tinao anie dia manantona izahay e

Ramatoa Claudine : Tsy mila ny biraonareo aho, mpanohitra ianareo amina

Bianco : Ilay izy tsy resaka fanoherana fa resaka fanadihadiana dia mba mila ny fanazavanao izahay

Ramatoa Claudine : Fanadihadiana amin’ny inona ? … Za tsy mila …

Bianco : Aiza no maka audience ?

Ramatoa Claudine : Any amin’i Hery Rajaonarimampianina maka audience raha te hiresaka aminà

Bianco : Ka efa mahazo anao ve izahay dia mbola ho any kosa

Ramatoa Claudine : Ka za tsy mila, ianareo hampiasain’ny mpanohitra tsy misy olona vendranan eto … Aleo hiala Hery Rajaonarimampianina vao mikitika anà

Bianco : Fitiavan-tanindrazana mihintsy no mampiasa anay ka sao dia mba afaka mihaona na androany na rahampitso ?

Ramatoa Claudine : Tsy mila, tsy manampotoana aminareo aho, antsoy Mamy Ravatomanga ireny no mampiasa anareo

Bianco : Tsy mifandray amin’izany ilay asa madama

Ramatoa Claudine: Tsy mila, aty Iavoloha aho izao dia tongava aty.

Bianco : Ka raha tonga any ve dia raisinao izany ?

Ramatoa Claudine : Avia aty, aty amin’ny palais aho izao

Bianco : Dia afaka mandray anay ve ianao raha makany izahay ?

Ramatoa Claudine : Tsy mila mandray anareo aho

Bianco : Ka ianao niteny hoe any no misy anao dia hanantona zany izahay fa tsy olana

Ramatoa claudine : Tsy rarahinareo izay misy ana na aiza na aiza, hifapinan*** eto isika

Bianco : Aza miteny ratsy moa madama azafady

Ramatoa Claudine : Ka masos*** ny zavatra ataonareo … Ataovy ao anatin’ny lohanareo fa izahay no eto amin’ny « pouvoir » izao! Tsy mila mandray anareo iaho! Tsy mila!

Bianco: ataonao inona hoe ny « carrière » nay?

Ramatoa Claudine: Asa. Ho potipotehinay ny « carrière »-nareo. Ho hitan-tsika eo! Hifankahita isika! *** !…

Les commentaires sont fermées.