Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vola aloan’ny fiara vaventy : mimenomenona amin’ny CUA ny mpandraharaha

Vola aloan’ny fiara vaventy  : mimenomenona amin’ny CUA ny mpandraharaha

Miteraka fimenomenomana eo amin’ny mpandrahaha mpampiasa fiara vaventy ny saran’ny volam-piantsonan’izy ireo eto an-dRenivohitra. Voalazan’ireo mpandraharaha fa namoaka taratasy ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ny vola tokony aloan’izy ireo. Nisy taratasy navoakan’ny kaominina mitondra ny laharana N°149CUA-AMII/SG/DF.17 milaza momba ny vola aloan’ny fiara vaventy, izay ny 9 jona teo no fampiharana azy farany. « Tamin’ny voalohany, tsy nahataitra anay firy ny vola aloa satria 10.000 Ar ka hatramin’ny 50.000 Ar isan-taona izany. Omaly anefa, akory ny hatairana raha nilaza ny mpiasan’ny kaominina fa aloa isan’andro ireo vola ho saram-piantsonana ireo », hoy ny mpandraharaha iray. « Raha atao ny kajy tsotsotra, mahatratra 30 tapitrisa isan-taona no aloa amin’ny fiara iray milanja 19 taonina », hoy ihany ny fanamafisana.

Nanambara ireto mpandraharaha ireto fa tsy nanana fotoana niomanana akory izy ireo, ary tsy mba nampahafantarina mialoha.

Mangataka fanazavana amin’ny kaominina ireo mpandraharaha amin’ny fampiasana fiara vaventy. «Famonoana ny mpandraharaha izao. Ary heverinay fa toy ny fisolokiana ataon’ny kaominina mihitsy izao”, hoy ny mpandraharaha. Mihevitra ny tsy hanaiky ity raharaha ity ireto farany. Tokony ho voakasika amin’izao ihany koa ny fiara ampiasan’ny mpitondra fanjakana sns. Manahy fisolokiana ny mpandraharaha ary mikasa hitondra ny raharaha amin’ny sehatra avo kokoa.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.