Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taorian’ny fety : nodiovina ny teny Anosy

Notontosaina ny alarobia teo ny kifafa andiany fahenina. Hetsika mampiavaka ny boriborintany voalohany ity kifafa ity satria  ireo mpiara-miasa rehetra tsy ankanavaka ao aminy miaraka amin’ireo sampandraharaha sasantsasany ao amin’ny CUA no niara-miisalahy nidina an-dalambe nanadio tanàna.

Manodidina ny 350 ireo olona niara-nientana nanatanteraka ny asa fanadiovana. Nosinganina

 manokana ireo toerana manodidina ny zaridaina etsy Anosy. Voakisik’izany ny sisin’ny farihin’ Anosy sy ireo Abri-bus sy ny manoloana ny  fitsarana ary ny manodidina sekoly St Michel hatreny Ambohitsorohitra.

Nosafidina manokana ireo toerana ireo satria nanaovana fety ary be olona nivezivezy. Felo fako izany ka nanaovana izao hetsika manokana izao. Nodiovina ny sisin’ny arabe, noravana ny trano hazo iray fametrahan’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna entana, nesorina ireo bozaka rehetra nanelingelina,  nodiovina avokoa ireo lalana mihazo ny zaridaina ary noraofina ireo fako  nitsingevana tamin’ny sisin’ny farihin’Anosy.

Nandray anjara mavitrika ny mpamonjy voina tamin’ny fanondrahana ranobe ireo toerana fanaovan’ny olona maloto, indrindra eny amin’ny  vodihazo sy eny amin’ny  bozaka ary ireo Abri-bus manodidina ny farihin’Anosy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.