Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : belazao no be famaritra toy ny rambon’osy

Tazana amin’ny fihetsiny fa efa misy ireo olona sy ny tandapany no mitsinjo ny fifaninanana amin’ny 2018 ka manomboka miroboka amin’ny fampielezan-kevitra. Tsy fantatra intsony anefa raha ny mikasika ny Filoham-pirenena amperin’asa ny tena izy sy ny tena rariny. Ny fandokafana ny kely vita sy fikasana ny fintantanana ny ho avy, dia mifamahofaho avokoa ao anatin’ny zo sy fahefan’izay eo amin’ny fitondrana, fomba anentanany ny vahoaka andraisany andraikitra na farafaharatsiny tsy ho sakantsakana eo amin’ny fanatontosan’ny fanjakana ny lamin’asa apetrany. Tsapa fa mahery vaika mandritra ity fotoana manodidina ny fankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantena ity ny fomba entin’ny fitondrana ampielezana ny fanentanana. Tombon-dàlana tsy mandingana lalàna angamba izany sady tombony ara-pananana noho izy io tsy ialam-bola avy any am-paosin’ny tena fa tafiditra ao amin’ny fitsinjarana ny volam-panjakana mikasika ny serasera fanaon’ny fitondrana.

Mba tsy ho sasanangy miangatra, setrin’izany dia rariny kosa raha mba avela malalaka hanao izay afany ireo hafa efa manoman-tena handray anjara amin’io fifaninanana iraisana io. Sarotra anefa no hanantenana fa hivoha malalaka ho an’ny mpanohitra ny varavaran’ny RNM sy TVM izay voalaza hoe an’ny firenena. Araky ny efa nataon’ny rehetra dia tsy hiditra amin’izay ny fitondrana ankehitriny. Any am-pony any dia ny “tsy zakan’ny tany aloha, ombako tsy mahazaka” no hany vetsovetso fialana bilila. Sehatra iray ambin’ny maro io fa tsy ny eo amin’ny tsy rariny akory no hiseho ny fiovana toetra sy toe-tsaina sy ny fanovana ny fomba fitantanana. Anjaran’ny vahoaka noho izany no mandinika hahafahany mifidy izay tsapany fa afaka hifehy tena, tsy hanampatra amin’ny fanjakazakana rehefa mahazo fahefana. Eo amin’izay fifehezan-tena izay no dingana voalohany antoky ny fanovana. Inona moa ny fiovana afaka antenaina hiseho eo amin’ny fizotran’ ny raharaham-pirenena raha tsy hita taratra eny amin’izay miandrandra iantsoroka ny fitantanana ny fahavononany hiantoka ny fanovana amin’ny fanombohana ny ezaka mikasika ny tenany? Mivalo noho ny toetra tsy mety vita tany aloha ary mitanisa ireo fahotana izay nianianana fa tsy hanotan’ny tena. Toy ny hoe “miniana aho fa tsy hamilivily volam-panjakana“miniana aho fa tsy handika lalàna”, “manome toky aho fa tsy hanjakazaka” sns. Tsapa hatramin’ izay fa tsy ampy ny fanambarana ny tsara antenaina ho atao, ka toy ny fitanisana ny didin’Andriamanitra mikasika ny ratsy voarara no tokony ho tanisaina eo imason’ny tany aman-danitra.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.