Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mozika sy fampandrosoana : homarihina ny «International Reggae Day»

Mozika sy fampandrosoana : homarihina ny «International Reggae Day»

 Hiavaka ny hanamarihana ny « International Reggae Day » na ny « Andro eran-tany ho an’ny reggae », amin’ity taona ity. Fikambanana roa (Youth’Nity sy Sarondra) hiara-kisalahy amina hetsika lehibe iray hotontosaina rahampitso eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo. Amin’ny 2 ora tolakandro, hosokafana amin’ny velakevitra arahina adihevitra mifantoka amin’ny lohahevitra « Fampandrosoana ny reggae malagasy » ny fotoana. Maro ireo handray anjara amin’izany. Anisan’ireny ny profesora Tehindrazanarivelo.

Mandritra ity tontolo andro ity, hisy ihany koa ny tranoheva hanatanterahana fampirantiana momba ny mozika reggae. Hofaranana amin’ny fampisehoana an-tsehatra hanehoan’ireo tanora miangaly ny reggae ny fandaharam-potoana. Raha ny fandinihan’ny mpahay mozika sy mpikaroka momba ny mozika, anisan’ireo manana mpanakanto mahafehy tsara ny mozika reggae i Madagasikara.

Fantatra fa 49 taona no efa nanamarihana maneran-tany ny « International Reggae Day ».

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.