Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana : nifampizara traikefa ireo lehiben’ny faritra 22

Fampandrosoana  : nifampizara traikefa ireo lehiben’ny faritra 22

Tsy mifanary. Nihaona tetsy amin’ny biraon’ny faritra Analamanga ireo lehiben’ny faritra 22, afakomaly. « Anton’izao fihaonana izao ny fifampizarana traikefa eo amin’ny fomba fiasa ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny toekarena sy sosialy », hoy ny mpampiantrano, ny lehiben’ny faritra Analamanga, Rakotonanahary Ndranto. Anisan’ny noresahana ny fomba hiaraha-miasa sy ny fifarimbonana ao anatin’izany satria samy manana ny hanitra ho azy ny faritra tsirairay. « Tanjon’ny fihaonana ny mba hifandanjan’ny fampandrosoana isam-paritra. Ohatra, anisan’ny jerena koa ny fomba fampidiran-ketra sy ny loharanom-bolaNy drafitra fampandrosoana ny faritra (PRD). Eo ny rafitra ifandraisanay samy mpitantana », hoy ihany izy. Samy hizara ny olana sedrainy avy sy ny fomba fitantanana avokoa izy ireo, amin’izao dinika izao.

Tsiahivina fa ho any Boeny indray ny fivoriana manaraka aorian’ny eto Analamanga, ny volana jolay io.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.