Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Brickaville : lasa lavenona ny entana 200 tapitrisa Ar

Brickaville  : lasa lavenona ny entana 200 tapitrisa Ar

Nitrangana haintrano goavana indray tao amin’ny fokontany Ambalakondro Brickaville, omaly maraina. Tranohazo roa lehibe indray kila hotohoton’ny afo niaraka tamin’ny entana rehetra tao anatiny. Araka ny fampitam-baovao voaray avy an-toerana, tsy fantatra ny fiavian’ny afo satria samy tsy nanampo na inona na inona ny mponina teo an-tanàna fa ny afo efa nijoalajoala narahina setroka maintibe no nampikorompaka ny olona. Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo. Tsy voafehy intsony izany na teo aza ny fifanomezan-tanana tamin’ny famonoana ny afo nataon’ny fokonolona teo an-tanàna. Isan’ny nampanano sarotra ny famonoana ny afo ny fiitaran’ny firehetana satria vita amin’ny hazo daholo ilay trano. Vokany, kila tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra tao an-trano, isan’izany ny fiara Sprinter iray teo an-tokontany. Tombanana ho 200 tapitrisa Ar ny tentimbidin’ny entana lasa lavenona, araka ny fanazavan’ireo niharam-boina.

Olana rahateo araka ny fitarainan’ny mponina ny tsy fisian’ny mpamonjy voina ao Brickaville, hany ka miady irery hatrany ny fokonolona rehefa misy voina mihatra tampoka toy izao. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra ireo mponina mba hametrahana mpamonjy voina ao Brickaville.

J.C

Les commentaires sont fermées.