Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankadindratombo : hiaka-tsehatra ny lamaody…

Ankadindratombo  : hiaka-tsehatra ny lamaody…

Efa fanao ihany, saingy niova filamatra. Hifamotoana eny Ankadindratombo, anio ny mpankafy ny tontolon’ny lamaody sy ny filatroana. Hiray sehatra ary haneho ny fomba fitafy nentin-drazana avy any amin’ireo faritra sy ireo lamaody amin’izao fotoana izao ireo mpanjaitra, vao nahavita fiofanana momba ny zaitra. Eo koa ny fanehoana ireo fitafiana na koa akanjo ho an’ny sokajin’asa rehetra sy ny manamboninahitra. Tsy vitan’izany fa ahitana trano heva hanehoana ireo haingo sy ravaka fanao an-trano koa izao hetsika izao. Ny karazana poketra sy kiraro ary ireo kojakoja samihafa mifandraika amin’ny tontolon’ny lamaody. Ny fitafiana na akanjo natokana ho an’ny andro mangatsiaka na mafana…  Efa mahafehy ny tontolon’ny zaitra rahateo ireo mpiofana eo anivon’ny Eccova, eo ambany fitarihan’ny mpanorina, Razanamanalina Volana ary anisan’ireo afaka tamin’ny fanadinam-panjakana farany teo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.