Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Terrace Antanimena : nafana ny « fetin’ny mozika »

Terrace Antanimena  : nafana ny « fetin’ny mozika »

Manomboka mahazo laka maneran-tany ny fankalazana ny « Fetin’ny mozika ». Anisan’ny nanamarika izany ny tetsy amin’ny Terrace Antanimena, omaly. Mpanakanto manana ny maha izy azy no nanafana ny efitrano. Anisan’izany i Davis, i Alain Chatard, Davis (tarika Mika sy Davis), i Tence Mena… Saika ny gadona mihetsika no nahazo vahana nandritra ity lanonana ity, anisan’ireny ny reggae. Nihira ny sanganasan’ireo mpanakanto malaza toa an’i Bob Marley rahateo ireto mpanakanto ireto. Na izany aza, nisy ny hira milamina nahafahan’ireo olona tonga nanatrika teny an-toerana nankafy ireo sakafo natolotr’ity toeram-pisakafoana sady fialamboly ity.

Anisan’ny nampiavaka ny fanamarihana ny « Fetin’ny mozika » tetsy amin’ny Terrace ihany koa ny fahaizan’i Alain Chatard manentana. Mahafehy karazan-gadona sy karazan-kira maro rahateo ity mpanakanto ity.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.