Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Loka Be Asaramanitra » : nankasitraka ireo mpanjifa ny Orange Money

« Loka Be Asaramanitra » : nankasitraka ireo mpanjifa ny Orange Money

Hanao fety am-pilaminana. Tontosa omaly ny fanomezana ny loka lehibe, ho an’ireo mpanjifa Orange Money izay nandray anjara tamin’ny lalao “Loka Be Asaramanitra”. Notolorana ny taratasim-bola mitentina 1 tapitrisa Ar Andriamanantsoa Voniarilala Anicia, tetsy amin’ny foiben’ny Orange Madagascar, Ankorondrano.
Maromaro ireo nahazo loka hafa niaraka taminy, izay natolotry ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Michel Degland. Naneho ny hafaliany, nandritra izany, ireo nahazo loka, satria tsy sarotra akory ny fandraisana anjara. Raha tsiahivina, izay nampiasa Orange Money nihoatra ny 5.000 Ar (nandefa na nametraka vola), dia nahazo taratasy fandraisana anjara tamin’ny fisarihana. Nandritra ny 5 hatramin’ny 20 jona teo izany, ka nisy roa isan’andro ireo nosarihina. Nahatratra 32, araka izany, ireo notolorana gisa hanaovany fety.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.