Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “Amboaran’ny kaonfederasiona” : hifandona amin’i Alemaina ny Kameroney

Kitra – “Amboaran’ny kaonfederasiona”  : hifandona amin’i Alemaina ny Kameroney

Hiditra amin’ny andro fahatelo sady farany ny lalao eny anivon’ny sokajy ho an’ny fiadiana ny “Amboaran’ny kaonfederasiona”, taranja baolina kitra, tanterahina any Rosia. Hifampitady amin’ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, tompon’ny “Can 2017” ny tompondaka eran-tany farany, ny National Mannschaft, ny alahady 25 jona izao. Mampilalao ireo tanora vao erotrerony ny mpanazatra an-dry Rainiboto, Joachim Löw, amin’izao fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona izao. Manodidina ny 24 taona avokoa izy ireo ary mitarika izany ny kapiteniny, Julian Draxler. Efa nanilika an’i Australia 3 no ho 2 ny Alemà teo amin’ny andro voalohany. Ho an’ny Kameroney indray, tsy nanova ny ekipa mpandresy, nibata ny Can farany teo ny mpanazatra, Hugo Broos, miaraka amin’ny kapiteniny, Benjamin Moukandjo. Mialoha ny fihaonana eo amin’ireto ekipa roa ireto, nihaona, omaly, ary karazan’ny famaranana kely mihitsy ny lalaon’i Alemaina sy i Chili. Ny Liona tsy voafolaka kosa, nifanandrina tamin’i Aostralia. Miaraka ao amin’ny sokajy B avokoa ireo.

Tsiahivina fa eo anivon’ny sokajy A ny mpampiantrano Rosianina sy ny Portigey tarihin’i CR7 ary i Meksika sy i Nouvelle-Zélande.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.