Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fironana vaovao… : « Mampalaza hira ny fanaovana « cover » », hoy i Odyai

Fironana vaovao…  : « Mampalaza hira ny fanaovana « cover » », hoy i Odyai

Fanaovana hiran’olona ny « cover ». Mety hanova zavatra maro eo amin’ilay mpamorona sy mpihira azy izy. Mitondra ny heviny momba izay i Odyai. Dinidinika.

Gazety Taratra (*) : Inona ny maha samy hafa ny « cover » amin’ny « plagiat »?

 Odyai (-) : Fandikana tsy misy tomika, na ilay fantatsika amin’ny hoe « copie-coller », ny « plagiat », izay voararan’ny lalàna. Eo koa ny fakàna feon-kiran’olona fa ny tonony fotsiny no ovaina. Ny « cover » indray fanaovana hiran’olona, saingy asiam-panovana ny fomba fihirana azy, ohatra, hoe ny gadona (ny hirako « Zah leo », ohatra, nisy nanao feon-gitara na « acoustique » sy jazz).

*Any ivelany ka hatraty amintsika, malaza be ity « cover » ity. Ahoana ny fahitanao izany ?

Miankina amin’ny mpanakanto tsirairay ilay izy. Amin’ny lafiny iray, tsy mampaninona ahy ilay ataon’ny olona « cover » ary vao mainka aza mampalaza ilay tena mpihira, satria vao mainka fantatry ny olona kokoa ny hirany.

* Efa nisy nanao « cover » ny hiranao. Ahoana ny fahitanao ireny sy ny fiantraikany taminao ?

Tiako ilay izy. Ny fiantraikany ? … Gaga aho hoe hay ve toy izany ilay hira rehefa olon-kafa no mihira azy amin’ny fomba hafa. Mahafinaritra !

* Aiza ho aiza ny lalàna mahakasika ny zon’ny mpamorona amin’ireny hira atao « cover » ireny ?

Tsy haiko loatra ny momba an’iny. Izaho, rahateo, tsy mpikambana ao amin’ny Omda (ofisy malagasy miahy ny zon’ny mpamorona). Tsy misy antony manokana loatra fa noho ny tsy fahatrarana olona lava ao amin’ny birao, rehefa mba nanatona tao, hany ka naleoko tsy niverina intsony.

Nangonin’i Landy R.

Rehefa avy any Sambava, hihazo an’i Miarinarivo i Odyai, rahampitso, avy eo hanafana ny fetin’ny Fahaleovantena any Ambatondrazaka. Maro ny fandaharam-potoany, mandritra io fotoam-pialan-tsasatra io. Anisan’ny misongadina amin’izany ny hanaovany fampisehoana atsy La Réunion.

Les commentaires sont fermées.