Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanovana ny fitondrana : hampitovy fijery ny mpanohitra sy ny Herin’ny fanovana

Fanovana ny fitondrana : hampitovy fijery ny mpanohitra sy ny Herin’ny fanovana

Ahoana ihany ny fanovana ny fitondrana? Hampitovy fijery amin’ny mpanohitra ny herin’ny fanovana…  

“Karazana loabary an-dasy no hatao: fampitoviana tadin-dokanga amin’ny herin’ny fanoherana te hiara-dia amin’ny Herin’ny fanovana.” Io no nambaran’ny mpandrindra ny hetsiky ny Herin’ny fanovana, Ratolojanahary Maharavo, teny Andravoahangy Ambony, omaly, momba ny famoriana olona eny amin’ny Live hotel, Andavamamba, anio.

Mitohy am-pilaminana ny hetsiky ny Herin’ny fanovana. Hiaraka amin’ny herin’ny fanoherana izay tsy mbola tafiditra ao amin’ny Herin’ny fanovana izy ireo amin’izay famoriana olona izay.

Ny hafatra hampitain-dry zareo amin’izany ny hoe: “Fanovana fitondrana hanatsara ny fiainan’ny Malagasy ny fanovana entin’ny Herin’ny fanovana sy ireo mpiara-dia aminy, fa tsy hoe vao mainka hanampy trotraka ny fahasahiranan’ny Malagasy.”

Mba tsy hosazin’ny fiombonambe iraisam-pirenena indray…

Tsy hoe sanatria akory hanao fanovana dia hahazo sazy avy amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena: tsy mahazo fankatoavana, tsy mahazo famatsiam-bola… Heverina hanampy sy hanatsara ny fiainan’ny vahoaka madinika ny fanovana: hanome asa ho an’ny tanora, hisy masoandro vaovao ho an’ny vahoaka malagasy…

Midika izany fa tsy mila hirotorotoana ny fanovana, tsy maintsy atao amim-pahamendrehana, araka ny fanazavan-dRatolojanahary Maharavo. Efa fantatra ny fanjakana fa tsy maintsy hanao fizaram-bola, hampiady an-trano, hanakorontana… “Tokony ho tony isika. Mampanantena anareo izahay Herin’ny fanovana fa hitondra fanovana amin’ny hetaheta izay iarahantsika”, hoy izy.

Misy ireo raiamandreny am-panahy na ara-drazana efa niara-dalana amin’ny Herin’ny fanovana hatramin’izay, mitaky ny hanaovana fanovana amim-pitoniana sy fahamendrehana. Fa tsy hiditra amin’ny fandriky ny mpitondra amin’ny fanakorontanana. Hitohy ny tena hetsika aorian’ny 26 jona.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.