Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Eline Bregera : nahazo fiara avy amin’ny Telma

Eline Bregera  : nahazo fiara avy amin’ny Telma

Fety miaraka amin’ny Telma. Nanolotra loka ny Telma ho an’ny mpanjifa iray, Eline Bregera, avy any Morondava, omaly, nahazo fiara vaovao nomen’ny tale jeneraly, Patrick Pisal-Hamida, tao amin’ny Galerie Zoom Ankorondrano. Eline Bregera no mpanjifa tsara vintana, azy ny karatra Sim voaray tamin’ny fisarihana natao amin’ireo mpanofa. Fiara BAIC A 115, mitentina 40 tapitrisa Ar, ny azon’io mpanjifa io noho ny fahatokisany ny Telma. Mpanjifa dimy hafa, notolorana loka samy hafa ihany koa.

Nanomboka ny volana marsa 2013 ny nampiasan’i Elena Bregera izany karatra Sim izany  sy nanokafany Mvola amin’io karatra io ihany. “ Nahatonga ahy nanamarina ny maha mpanjifa ahy ny fanentanana ataon’ny Telma, , izay voamarina ara-dalàna. Koa misaotra ny Telma aho noho ny fankatoavany ny mpanjifa ao aminy”, hoy i   Eline Bregera.

Tao anatin’ny fotoana fanentanana, nanolorana finday 100 mahery ho an’ny mpanjifa mpanofa ny tambajotra Telma any amin’ny faritra maro, toy ny any Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka, Mananjary, Antsohihy, Moramanga, Antananarivo… Manentana ny rehetra ny Telma, hanoratra ny anarany amin’ny karatra Sim izay ampiasainy, na aiza na aiza ny toerana misy azy, araka ny takin’ny lalàna.

M.C

Les commentaires sont fermées.