Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Soavimbahoaka : fankalazana ny Andron’ny Yoga

Natokana ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny yoga ny 21 jona isan-taona. Ho an’i Madagasikara, fanintelony amin’ity taona ity ny ankalazana izany, ka hatao ny alahady 18 jona ho avy izao eny amin’ny kianja filalaovana kanetibe Soavimbahoaka, manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 1 ora atoandro. Maimaimpoana ny fanaovana yoga omen’ireo foibe fito eto Antananarivo.

Manohana mivantana ity hetsika ity ny masoivohon’i India eto amintsika, firenena nipoiran’ny yoga rahateo. Nambaran’ny masoivohony miasa eto Madagasikara, fa mifototra amin’ny fandrindrana ny fitaizam-batana, ny fo, ny fanahy ary ny saina ny yoga. Nilaza koa Ramahenina Maurice, anisan’ny mampihatra azy fa tsy misy ifandraisany velively amin’ny fivavahana sy ny finoana. Maro ny ifandraisan’ny yoga amin’ny kolontsaina malagasy. Toy ny fiteny hoe “ny fanahy no mahaolona”, “ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”, mifandraika amin’ilay voambolana yoga hoe “karma”. Ho an’ity farany, midika hoe valin’ny asa natao ny atao hoe karama.

Njaka A .

Les commentaires sont fermées.